letra de diary - zay
fony isika sy ianao niara-nilalao tao andrefan-tanàna
samy mbola kely tsy nisy nahalala irony adalàna
ireo kilalao tony saribakoly sy ny omby tanimanga
dia efa ampy ampiononana ny fo raha bedin’i dada
ireo kivarivary kely izay natao
izay nahaditsoka ny masonao
sy nampaloto ny akanjotsika
kanefa toa narahintsikitsiky
ilay takolakao izay toa feno ranomaso iny
ilay nofafako fa hoe nisy vahiny
ireo no mitamberina sy tsaroana
ka isentoana
ref : fa tantara sisa no tantaraina
sanatria tsy handrerak’aina
fahatsiarovana sendra nandalo
tsy atao hampimalo
voasokatra tsinahy ny diary
ka nampahatsiahy ny nampiharihary
ilay dingam-piainana fony mbola zaza
saingy efa rava
ilay feonao miantsoantso ny anarako
raha vao maraina
somary badabada kely izay ka tsy afaka ao an-tsaina
ilay tarehanao rehefa misy manongo
lasa menamena
ilay masonao toa manganohano rehefa tezitr’i neny
ireo kivarivary kely izay fanao
izay efa nahazatra ahy sy ianao
toy ny fanenjika sy ny fangalam-pihery
ilay rahosy jamba nefa ianao mijery
ireo rehetra ireo no mitambatra hoy iray
nampifamatotra antsika tamin’izay
ireo no mitamberina sy tsaroana
ka isentoana
letras aleatórias
- blank jones › letra de disco cassette (cassara remix) - blank & jones
- ruyi › letra de straight face - ruyi
- cindy › letra de バレリー・フレンズ (barely friends) - cindy
- roadhog › letra de children of the dark - roadhog
- dan mason ダン·メイソン › letra de let it go - dan mason ダン·メイソン
- lonesome rhodes › letra de bugs - lonesome rhodes
- algebra band › letra de simulated mind - algebra (band)
- malachite › letra de song for gillespie park - malachite
- zuukou mayzie › letra de l.o.t.r - zuukou mayzie
- samra › letra de lebst du noch - samra