letra de ho anjarako - tovo j'hay
[couplet 1]
efa nodorako izay rehetra rehetra momba anao
novitriariko ny sary rehetra nisy anao
fa tsy maty anaty foana ’lay tsiaro
fa tsy nangina
fa maro laotra ‘reo tantara nifangaro
efa narendriko tsy hohita ‘reo firavaka
‘zay rehetra nomenao efa any anaty lavaka
indrisy anefa miraikitra tsy miala ato anaty
‘lay alokao manaraka ahy
indraindray tsy tanty
[refrain]
dia nihazakazaka aho nijery ‘zay mba nisy anao
nivezivezy tsy nisy hery, nitady no iraho
nilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako
f’ianao no iriko anilako
dia mbola ianao ihany no ekeko ho anjarako
[couplet 2]
ilay toerana faleha niarahana nitafa
tsy nandalovako intsony, iviliko lalan-kafa
ny maso anefa mitsimpalotra mangalatra mankany
fa feno loatra ny alahelo
ka kotsan’ ny tomany
tsy tiako henoina intsony ireo hira mba fihainontsika
izaho sy ianao mifamihima rehefa andro mangatsika
nefa ny tonony sy ny feo tsy afaka andoha
lasa aretimpo
nanjary vao mai-nankarary
[refrain]
nihazakazaka aho nijery ‘zay mba nisy anao
nivezivezy tsy nisy hery, nitady no iraho
nilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako
ianao no iriko anilako
mbola ianao ihany no ekeko ho anjarako
nihazakazaka aho nijery ‘zay mba nisy anao
nivezivezy tsy nisy hery, nitady no iraho
nilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako
ianao no iriko anilako
mbola ianao ihany no ekeko ho anjarako
(ho anjarako)
letras aleatórias
- воровайки vorovaiki › letra de синеглазый (blue eyed) - воровайки (vorovaiki)
- hunjiya › letra de go to bed - hunjiya
- bizarra locomotiva › letra de ergástulo - bizarra locomotiva
- baptism › letra de devil's fire - baptism
- nick carter › letra de i will wait - nick carter
- teethswag ndarkie › letra de ep.1 - get rich or die a hippie - teethswag & ndarkie
- matt gilman › letra de fairer - matt gilman
- fukaj › letra de preludium - fukaj
- soyou › letra de 온기가 필요해 (we need warmth) - soyou
- azteca x oscar › letra de freestyle - azteca x oscar