letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de aza avela - tovo j'hay

Loading...

[couplet 1]
miangavy raha azo atao
aza avelanao aho
hitady ny ho tiavina
hitia tsy miavona

fa mba omeo ahy kosa
ilay fitiavanao miavosa
omeo fo tia ny hafa
tsotra tsy mihafahafa

[refrain]
aza avelanao hiteny
raha manambony tena irery
tsy mijery ireo mijaly
any ho any
fa hizara izay mba ahy
ho modely ara-panahy
tsy miahiahy

[couplet 2]
mitalaho raha azo atao
aza avelanao aho
hitady tombony hatrany hatrany
amin’ny fiainana eto an-tany

f’izay mitady dia omena
fitia manetry tena
hitondra izao tontolo izao
hanaja hanompo anao

[refrain]
aza avelanao hiteny
raha manambony tena irery
tsy mijery ireo mijaly
any ho any
fa hizara izay mba ahy
ho modely ara-panahy
tsy miahiahy

[couplet 3]
ity aho ry tompo
vonona hanompo
apetrakay ho anao mandrakizay
ny anio sy ny ho avinay

[refrain]
aza avelanao hiteny
raha manambony tena irery
tsy mijery ireo mijaly
any ho any
fa hizara izay mba ahy
ho modely ara-panahy
tsy miahiahy

[outro]
tsy miahiahy
tsy miahiahy

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...