letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de sexy girl - samoela

Loading...

zaza niara-kely teny ambondrona
niara nanary fako fony bitika
niara nisondrotra, niara nitombo e !
dia niara nitsiry koa ny fitia
dia niaraka nibalady
tafakatra avo be ny maripana
dia nifanao dina hiara dia e !
samy nivetsivetso fa hivady
vao maraina dia efa ateriko an-tsekoly
mifampiandry koa raha hody ny hariva e !
vao 17 taona tsara indry, nanaraka an-dry zalahy tany amin’i amnesia
nanomboka teo ianao dia tia nandihy
nanaraka an-dry zalahy indra
nanaraka an-dry zalahy kaleido
nanaraka an-dry lehirony koa caveau
dia nihanika samirery papillon e !

dia niaraka taminao ny sinoa
dia niaraka taminao ny karana
vazaha be koa ny tato afara e !
dia lasan-dry lehirony ny akamako
dia lasan-dry lehirony ny fananako
vetavetan’ny vazaha ity anjarako e !
fa efa lasany dia tsy averiny eto intsony
lasany dia nasidiny any ambony
izaho indray no noraisina teto r’ireto a !
eo ianao no noraisina e !

fiverenana :
fa s-xy e !(2) s-xy girl e !(2)
fa s-xy e !(2) fa s-xy girl e !(2)

dia tsy tsaronao ve retsy ianao natosiko tamin’ny kalesy taloha
ankehitriny aho efa voa, ka gestiavanao mercedes e !
dia tsy tsaronao ve retsy isika sy ianao
nifanolotra voatsinefa etsy ambodifilao e !
ankehitriny ianao tsy misotro raha tsy « fresh »

‘zaho tsy mahatakatra cd n’i maria carey
anambazako anao sipa o !
raha tia ahy ianao e ! gorisagorisa revena ho’a!
aza asiana fanazavana ara-tsiantifika e !
f’efa arako ny toetranao, fa toetran’alika
aza asiana taratasy manazava mankany an-trano
tsy vakiko akory e ! fa tonga dia doro
f’efa koboko ianao (2) tamin’ny fahitalavitra
efa koboko ianao fa manao clip amin’ny tarika hafa
efa koboko ianao manao manequin’ny agence totem
en plus n’izay e !kilalaon’ny vazaha koa ianao
fa s-xy girl e !

tsy mahalala menatra intsony e !
f’efa babon’ny vola ny fony
raha any amin’ny vazaha ny vola e !
dia raha tsy vazaha tsy hidola
raha any amin’ny karana ny vola e !
dia raha tsy karana tsy hidola
raha any amin’ny sinoa ny vola e !
dia raha tsy sinoa tsy hidola
fa s-xy (2) s-xy girl e !

dia lasanao any mihitsy ny inspiration-ko ry kalan’iny a !
rahoviana ary ianao vao hitako
amin’ny magazine video7 na ok podium na play boy’z e !
fa s-xy an’antananarivo ianao, tsy mihoatra an’i gasikara
tokontaninao tsy misy afa-tsy antaninarenina dia tsaralalana e !
dia tsy hiandry anao intsony i samoela
f’efa dilan’ny ela sy ny ela e !
fa ny lasa tsy hiverina intsony
na dia naratra ny fony e !
ny hoavinao no antsoiny tody
dia varatra sy hozona e !
tsatok’antsy sy poizina
te-hianjera aminao iny ho valin’ny fahiny
hanafaka tsiny sy ho tamin’ianao virijiny ho’a!
fa s-xy girl e !…

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...