letra de jamba - rija ramanantoanina
reo hira izay fanaoko tena nankafizinao
dia lasa tora-bato handosirako hatrizao
‘reo hirahirantsika niarahina hatrizay
dia tsy tiako ho re intsony ankehitriny
dia lasa mantsy ianao namela fo iray hitomany
ny antsony sy kiakany tsy nisy tsy nahare
fa hay nivoaka indrindra ny efa niafina ela be
nanamaivana ity fo ‘zay saika mona
efa fanantenana iray vaovao, no indro nitsiry
namono ny anaranao
vao hoe tsiriry, tsy hoe mandalo akory anao
fa tena honina tokoa, hanarin’ireo teo aloha
fa jamba sy tia adala aho hatrizay
nanary lamba, raha vao nantoninao akaiky
ary angamba nodoninao ny saiko hanaiky
fa ianao no ilay fitia, ianao irery no fitia
‘reo ratra nahazatra niaretako hatrizay
tsy laitram-panafody nefa tena nahamay
lazaiko anao anio fa tena sitrana ireo
efa tsara mpanasitrana hafa no ianao
‘reo hira izay fanaoko tena nankafizinao
dia kalo tiany indrindra sady nahagaga ahy
nasiany feo faharoa dia niara-nihira izahay
tena kanto noho ny kanto fa lazaiko anao
letras aleatórias
- the revivalists › letra de when i die - the revivalists
- skylar grey › letra de room for happiness - skylar grey
- ira › letra de renacer - ira
- adriana calcanhotto › letra de mais perfumado - adriana calcanhotto
- shaan › letra de ek diwani ladki - shaan
- leex › letra de lover - le$ex
- impish › letra de that's right - impish
- end star › letra de cold piano - end (star)
- espo › letra de insecurities pt. 1 - espo
- colette renard › letra de le marin et la rose - colette renard