letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de taratr'hazavana - ricky

Loading...

toy ny taratr’hazavana

’zato endrikao misariaka

ny fitsikinao mijery

toy ny masoandro mibaliaka

nampitsiry vetsom-po

tsy mba ho haiko ho tantaraina

manafana ny ao anatiko

manodikodina ny loha

maha lasalasa saina

ka manjary nofinofiko

tsy mety ho afaka ao an-tsaiko ao

lasa nofy.vita sary

tsy mba ho adinoko.ho lalaiko

’lay masonao mibaribary

’reo molotrao raha mitsiky

masoandro vao maraina

manazava ny tontoloko

voninkazo tsara loko

voleko an-jaridaina

mba ho haingon’ny tanànako

miboiboika tsy tàna

loharano tsy hay fefena

mandresy lahatra avy hatrany

tsy mba haiko noresena

ny fitsirin’ny fitiavako

ianao ve mahalàla

fa ny foko anie

efa babo tsy ankisala

efa babo tsy ankizara

efa babo tsy ankisala

ny mba tsy aritry ny saiko

dia ny ho eo anilanao

raha vao nanomboka ny andro

nahafantarako anao

tiako ho lazaina

ho bitsihina aminao

ny ao anatiko mangina

tsy foiko raha ho zaraina

fa ho antsika sy ianao

satria ianao no mba namako

na ny oram-pahavaratra

na merik’andro ’ty ririnina

raha toa ka ho eo anilanao aho

dia ho foana tsy hisy ho inona

fa lohataona lalandava

diavolana mazava

fa ny amin-tsika anie

dia ho iray tsy ho rava

dia ho iray tsy ho rava

dia ho iray tsy ho rava

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...