letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de mila vonjy - mami bastà

Loading...

mila vonjy é , mila vonjy é , mila vonjy ny gasilahy

fahamarinana tsisy hita hoa , fa tapitra nafenin-dry zalahy

mila vonjy é , mila vonjy é , mila vonjy ny gasivavy

ny olo-marina nantenaina misy ’tady hamono sy hamosavy

andriamanitra ray tsitoha , henoy re ’ty vavakay

fa tena mafy tokoa , tokoa é , ny loza manjo ity taninay

efa hatramin’ny elabe é , no nila vonjy sy nitalaho

ray mpamonjy henoy re , fa mitaraina ny zanakao

’reo mpitsindroka zoridira hoa , omeo sakafo mba hifaliany

kalokalo sy hirahira hoa , no ataovy solon’ny fijaliany

’reo tsy manana hialofana é , matory eny an-dalam-be

omeo lamba mba hirakofana tsy manana havana mba aleha

’reo mpitantana sy mpitondra re , tariho ny sainy hanao ny rariny

’reo mpanodikondina volabe , asaivo soloiny izay nangalariny

raha manao tsy rariny ireo lehibe , ampiharo lalàna mba ho voasazy

endaso ho mendy amin’ny afobe , f’efa zatra mangorona ny tsy azy

ireo olo-marina sy azo antoka , omeo hery sy fitahiana

raha sendra ny ady izay tena sarotra dia arovy tsara fa aza ariana

mila vonjy é……………………

mila vonjy , mila vonjy , mila vonjy zanahary

fa ’ty tanindrazanay ity anie tena marary

andriamanitra ray mahery , omeo valiny ny hatakay

fa aza avela handeha irery , tsilovy ny lalan-kizoranay

tsy izay tianay fa ny sitrakao ihany no tanterahina re ry ray

ry tompon’ny hery tsy mety lany , mila vonjy aminao re ny taninay

mila vonjy é………………

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...