letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de aza omena tsiny aho - mami bastà

Loading...

aza omena tsiny aho re

raha tsy hanambady an’ise

f’efa leon’ny voafitapitaka aho ka tsy sahy

fomba fiarahantsika sy ianao

ataontsika amin’ny fomba vaovao

tsy asiana soratra ara-panjakana

fa ny fitiavana no hanafana

ny fitiavana lzay niombonanatsika roa

atao fitiavana tena matotra

hifam-f- lalan-dava ny am-po

fa isika dia mifamatotra

ny saina mitovy, mahay miara-dia

dia ataontsika mahavita azy

ny fontsika samy tia

dia efa solon’ny mariazy

mety gaga sy zendana angamba ianao

fa ahoana no toy izao

fa leon’ny misara-bady aho

fa izaho no lazaiko anao

alohan’ny fiarantsika roa aho

in-telo nisara-bady

ka manjary tsy tiako intsony

ny misoratra rehefa hanambady

refrain

ilay vadiko voalohany dia vehivavy tena mpisotro toaka

izay nohatonga ny fisarahana, ka aleoko dia nitsoaka

rehefa mamo izy manao ny tsy fanao, ka lalaovin-dry zalahy

ka teraka zazakely hafa-loko, fa fantatro fa tsy anahy

izany no zava-misy taminay fa tsy izaho no manendrikendrika

fa ilay zanany farany ao aloha dia hitako tena hafa endrika

izaho dia fantatra avy hatrany fa lehilahy malagasy

ilay zaza naterany farany ao anie vazaha fa tsy gasy

refrain….

ilay vadiko faharoa dia vehivavy tena mpangala tety

izay vola tahiry kely mba voahangona dia lany vetivety

ny zanaka ao an-trano indray mihafy tsy misy mpiraharaha

fa ny harena tsy misy miangana fa tapitra lasan’ ingahy zaodahy

ilay vadiko fahatelo indray ‘ry olona dia vehivavy manjabe

matim-bola sy tia miliba aok’izany ka aleony mandehandeha

tapa-bolana izy tsy nody tao an-trano no sady tsy hita notsy mba re

‘hay nirifatra lasa nanaran-kolon-kafa lasa sipana depiote

refrain…

aza omena tsiny ry malala o

raha toa ka miteny tsy misalasala

ny fitiavantsika no zava-dehibe ka atao tsy misara-mandeha

tsy ambinin-tsoratra ny havanao

ny fitiavantsika haharitra ivavaho

angamba aoriana maharitra ela be mety hisoratra isika ise

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...