letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de lasan-davitra - laurent rakotomamonjy

Loading...

lasan-davitra any tokoa izany saiko

toa mahita havoana iray tena lalaiko

isaky ny mba mijery iny tendrombohitra iny

mampatsiahy ireo lasanao fahiny

zany foko he toa vonton’alahelo

toa mahita hazo fijaliana telo

iny tendrombohitra iny raha tazanina avy ety

dia toy ilay kalvary

fa ianao no ilay

famonjena anay

andrinay sy tokinay

isaky ny voasamboaravoaran’ny onja

ny fiainako na vetivety monja

dia tsaroako ianao jeso miteny ny onjan-drano be hoe :

” mitsahara ary mitonia ”

teo dia tony niaraka tamin’izay

ny herin’ilay onjan-drano nampanahy

ka nisononoka mora ilay lakana nitondra

saika safotr’onja

fa ianao no ilay

kapiteninay

andrinay sy tokinay

isaky ny ravoravo izany saiko

ny hionona amin’izao dia toa tsy ho haiko

raha tsy miantso ny anaranao hanampy ahy

sao sembanin’ny fakam-panahy

indrindra moa raha misy fahoria-midona

ianao no avy hatrany dia tsaroana

fa toa reko ianao miteny hoe :

” ity ny tanako avia

fa izaho no mpamonjy tia ”

fa ianao no ilay

fifalianay

andrinay sy tokinay

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...