letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de ratra anaty - hantatiana

Loading...

olona hafa noho ny rehetra va ianao

satria sady vato nasondrotry ny tany

no trafo izay nasondrotry ny nofo ihany koa

ka mihevi-tena ho tsy manam-paharoa

izay rehetra ataonao toa mety avokoa tokoa

anananao ny harena, ny laza ihany koa

saingy nahoana anefa ianao no maratra anaty

vao voakihana dia ito tsy mahatanty

fiv: fanetren-tena e: io no harena izay miafina

ny fahendrena ao aminy ihany no tarafina

fanetren-tena e: no tian’ny tompo asandratra

na manana ianao na ory ho sambatra

mahatsiaro tena ho ambany foana va ianao

hany ka resy tsy miady amin’izay atao

izay rehetra vitanao anenenana avokoa

ny zava-dratsy no hitanao fa tsy ny soa

izay rehetra ataonao toa maty momoka avokoa

takon’ny olanao ny herin’ilay tsitoha

mandavan-taona ianao dia indro maratra anaty

vao voakihana dia ito tsy mahatanty

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...