letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de tiako ianao - fy rasolofoniaina

Loading...

kalo, nofy, tsiky
ho entinao ho ahy, anatiko any
rava ireo manda manodidina ahy
ahoana no anaovanao izany e!

toa misy afo mamaivay ny masonao
manainga ahy ho sahisahy
mampatsiahy ahy hoe hay olon’afaka aho
ekenao ny maha izaho ahy

a a a! ah! ah! hay!
sambatra aho
manana anao

a a a! ah! ah! a!
asandratro avo
ny feoko hanambara hoe: tiako ianao!!!
tiako ianao
ny feoko hanambara hoe tiako ianao

tiako ny mihaino ny feonao
mitondra ahy
lavitr’izao tontolo izao
tontolo izay namboarinao ho ahy

ary misy afo mamaivay manafana
izay narehitrao ho antsika
ary ny manodidina azy no hizarana
izay rehetra any anatintsika

a a a! ah! ah! hay!
sambatra aho
manana anao
a a a! ah! ah! a!
asandratro avo
ny feoko hanambara hoe: tiako ianao
tiako ianao
ny feoko hanambara hoe tiako ianao

na ny rano lalina aza
tsy hahaleo ny fitiavana
izay mamatotra ahy aminao
tsy misy azo atao

hay! hay aihay hay!
haaah ah ah ah hay hay!
ah ah ah ah hay hay!
ah ah ah ah!!
ah ah ah ah!!
a a a! ah! ah! hay!

sambatra aho
manana anao
a a a! ah! ah! a!
asandratro avo
ny feoko hanambara hoe: tiako ianao!!!
tiako ianao
izao rehetra izao hahalala hoe: tiako ianao!!!
tiako ianao
izao rehetra izao hahalala hoe tiako ianao

oh oh oh oh oh ooh!
oh oh oh oh oooh!

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...