letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de andriamanitra tsy mandao - amaf

Loading...

ry mpanota ô tsarovy f’andriamanitra tsy mandao

andriamanitra tsy mandao e ! tsy mandao anao

fa ianao no maniasia, mandeha mizotra miankavia

fa andriamanitra tsy mandao e ! tsy mandao anao

fa ianao no mamilafila sady mitady ho toa tsy mila azy

fa izy dia tsy mandao e ! tsy mandao anao

fa raha nanafatra anao izy ka niteny manao hoe :

” lalan-kely arahina fa aza mizotra amin’ny lalam-be ! ”

tsy nino an’izany ianao, fa io hoy ianao no hita fa tena tsara

nefa io izoranao io e, any an-davaka no miafara

fa raha naniraka anao izy ka niteny manao hoe :

” mitoria ny filazan-tsara ho ren’ny olona marobe ! ”

ianao tsy nitory fa natahotra ny hifandona amin’i losifera

tsy mba nanana finoana fa vao voadona dia efa nianjera

fiv farany :

ry sakaiza ô tsarovy fa ny tompo dia tsy mandao

fa ny tompo dia tsy mandao e ! tsy mandao anao

fa ianao no maningatsingana, sasa-miarina fa voafingana

fa izy dia tsy mandao e ! tsy mandao anao

fa ianao tia ny mialangalana, te hiverina antsa-dalana

fa izy dia tsy mandao e ! tsy mandao anao

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...