letras.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

letra de izy misaona - aina cook

Loading...

lasa ianao, lasa lavitra any

nandao ny tany, ilay feno tomany

izy irery no tavela, tsy afaka nitafa ela

tsy afa-nanoatra fa tsy maintsy nifandao

lasa ianao, n-n-lavi-tiana

dia ilay fiainan-tsy hita, tsisy fahoriana

izy teo nangahiahy, lahatra tsy afa-nanda

raha ny tiany, fifaliany

no tazominy eo anilany eo

tsy maintsy nekeny, tsy fidiny

chorus

lasa ianao, tsy nifidy ny handao

fa voaantso amin’ilay fiainam-baovao

lasa ianao tsy afa-nampilaza

izy tavela nitomany toa zaza

lasa ianao, tsy nifidy ny handao

fa voaantso amin’ilay fiainam-baovao

fa lasa ianao, izy nisaona

manantena anefa

indray andro ianareo mbola hihaona

ny ranomasony tsy voatana

ny momba anao tsy hainy ho fafana

ny sainy tsy tony satria ianao tsy eto intsony

efa nialoha lalana

fotoana fohy no niarahana

tampoka loatra ny fisarahana

izy mino mitanisa fa hoe misy ilay paradisa

raha ny tiany, fifaliana

no tazominy eo anilany eo

tsy maintsy nekeny, tsy fidiny

letras aleatórias

MAIS ACESSADOS

Loading...