letra de ho avy - zay
Loading...
tsinjoko ianao any lavitra any
lavitra sento sy tomany
miandry ahy foana, miandry ahy hatrany
izaho koa aty ravo tokoa
mientanentana ny fo
efa tsindrin-daona te-hahita anao
sy ny fitiavanao
ref : ka na ho hafanana toa mandoro
na ho hatsiaka mam-n-la
hotongako foana ny any aminao
na ho aizim-pito tsy ahitana
na ho oram-be mivatravatra
hotongako foana ny any aminao
tsy mba ho avy amin-tanam-polo
fa ilay fitiavana iray manontolo
no hoentiko ho anao, omeko anao anio
ianao koa tsy zaza intsony
ka sanatria mbola hidongy
fitiavana hafahafa akoatr’ilay
fitiavako madio
ref
hifampizara fitiavana
sy hifampita hafanana
hanohy hatrany ilay fiarahana
ka ilay lanitra ho manga
hofenointsika ireo izay banga
fiainana feno fitiavana
letras aleatórias
- letra de bay bondye yon beat - baky
- letra de sail away with me - elev8d
- letra de sabıkalı - ayşe özyılmazel
- letra de имитация выбора (imitation of choice) - пять. (five.) [rus]
- letra de la culpa en nuestras estrellas - leon lugor
- letra de 1727 - hiphopologist
- letra de sjømannsvals - 3 busserulls
- letra de forever and a day - james kmosko
- letra de ой (oops) - иван рейс (ivan reys)
- letra de now i know - hailey newman