
letra de hiara-hivavaka - rija rasolondraibe
tsy hanan-java-mahory isika
hiara-hivavaka hatrany hatrany
io no lakana ho enti-hiampita
mitondra antsika mankany
kivikivy saika resy ianao
fa toa ory hava-manana
amin’ny anaran’i jesosy andao
hifanaiky hifandray tànana
amin’ny anaran’i jesosy andao
hifanaiky hifandray tànana
hiara-hivavaka isika
tsy mivadika andriamanitra e !
hiara-hivavaka isika
mandrapisokatry ny lanitra
fa tsy maintsy ho tafita
re izany any andanitra any
fa ankohonany isika
am-pony am-panahy amin’ny ray
fa ankohonany isika
am-pony am-panahy amin’ny ray
ho velombelominy ianao
eny amorondrano fialan-tsasatra
tsy hisy tsy ho hainao atao
voatsinapinao io lanja miakatra
na ny aloky ny fahafatesana aza
tsy hahasakana ny fahagagany
ny aizimpito no mampilaza
f’efa manakaiky ny fahazavany
ny aizimpito no mampilaza
f’efa manakaiky ny fahazavany
hiara-hivavaka isika
tsy mivadika andriamanitra
hiara-hivavaka isika
mandrapisokatry ny lanitra
fa tsy maintsy ho tafita
re izany any andanitra any
fa ankohonany isika
am-pony am-panahy amin’ny ray
fa ankohonany isika
am-pony am-panahy amin’ny ray
tsy hisy hampimalo
na sarotra aza ny làlana
ny mason’ny fahavalo
no latabatra hihinana
fa ny marina fahamarinana
no hany làlana itondrana
hatrany amparany
noho ny anarany
hiara-hivavaka isika
tsy mivadika andriamanitra é
hiara-hivavaka isika
mandrapisokatry ny lanitra
fa tsy maintsy ho tafita
re izany any andanitra any
fa ankohonany isika
am-pony am-panahy amin’ny ray
fa ankohonany isika
am-pony am-panahy amin’ny ray
letras aleatórias
- letra de starlink - sirakod
- letra de verano pasado - el reja & meri deal
- letra de anxiety - evil engine #9
- letra de for a former lover - just a mess
- letra de святоша (holy) - симочка (simochka)
- letra de johnny blaze - 1100 himself
- letra de we disappear (live) - ryan adams
- letra de tuff - soloin
- letra de la, mia - 909memphis
- letra de başarısızlık hikayesi - septik34