letra de tanalahy ny foko - mahaleo
izay mena valala
izay tiana malala
nefa ianao raha te-hiala
dia aza misalasala
hatrizay ianao
no tompon’ny safidy
izay tianao no natao
satria anao ny didy
nefa t-n-lahy ny foko, mahay miova loko
nefa t-n-lahy ny foko, mahay miova loko
raha ny tany malemy
azo anorenam-pangady
feno eny rehetra eny
f’izaho no tsy te-hitady
nefa raha tianao izany
dia sahiko ny milaza
f’izao dia izao ihany aho
hahita ny sahaza
satria t-n-lahy ny foko, mahay miova loko
satria t-n-lahy ny foko, mahay miova loko
tsy ny masoandro matory
no hahafoana ny taratra
ny volana koa anie boribory
mirehitra fatratra
ianao no handeha
soava dia, mahereza
ny tia ahy be dia be
be ny mpitady seza
satria t-n-lahy ny foko, mahay miova loko
satria t-n-lahy ny foko, mahay miova loko
nefa aza manantena
f’izaho no hitomany
na hiantso hoe miverena
nofinofy izany
fa fanajana anao
no nampipetraka ahy
ianao indray no te-handao
oay, soa ihany lahy
tretrika, tretrika ny foko, hahazo hiova loko
tretrika, tretrika ny foko, hahazo hiova loko
letras aleatórias
- letra de i don't feel it anymore (2024 redux) - william fitzsimmons
- letra de always in your heart - guardians of andromeda
- letra de bodyguard - beyoncé
- letra de fire red - disco witch
- letra de punch the air - dr mark john bohr
- letra de snippet 02.04.24 - vspak
- letra de al mundo le falta un tornillo - horacio salgán y edmundo rivero
- letra de mouf - riley baby
- letra de childish - andrew detti
- letra de thug talk - taz money