![letras.top](https://letras.top/files/logo.png)
letra de dimbaka avy any nazareta - lolo sy ny tariny
efa maty jiro ange
ny ao antanàna malaza(2fois)
e!ary ambony ary
toa misy feon-gitara(2fois)
fa ao hono misy tovolahy
lava volo sy volombava
ka mihirahira mafy hoe
mifankatiava f’aza miady a!(2fois)
fa ny tranon’i lery
tsy mba mikatona intsony
fa misokatra foana
ka midikiditra ange
izay akamany any a!
ny tsy akamany any a!
fa tsy mba natory hono ange
ny tao antanàna malaza
fa vahoaka maro anisa re
nihirahira mafy hoe
mifankatiava f’aza miady a!(2fois)
fa nony hariva be
tonga namangy anazy
zandary sy ny basy
fa ilay ranamana
nitory ny tsy fiteny
niteny ny tsy fitory
fa fony izy lasana nandeha
nanafatrafatra hoe
izaho a!ka mbola hiverina eto ange ka
mifankatiava f’aza miady a!(3fois)
na izaho a!na ianao a!
dia samy miandry
(an’ilay dimbaka avy any nazareta
izay namadika ny rano
ny rano ho lasa py)(2fois)
tena tsara revy any izy e!
raha mba miaraka aminay
izahay mangetaheta
tena tsara revy any izy
raha mba miaraka aminay
ho revy tsy vohafetra
(lay dimbaka avy any nazareta
lay tapa-m-f- kely no nataony monjy be)(2fois)
tena tsara revy any izy
raha mba miaraka aminay
zahay no mosarena
tena tsara revy any izy
raha mba miaraka aminay
zahay no mosarena
tena tsara revy any izy
raha mba miaraka aminay
zahay mahantra arena
(saingy isika no diso
no diso tamin’izany)(2fois)
na izaho a!na ianao a!
ka samy miandry
an’ilay dimbaka avy any nazareta
izay nizara ny lambany
amin’ny olona mangitsy
lay dimbaka avy any nazareta
ilay mba nanome nizara tsy nitsitsy
tarin’ny anjely any izy
ka nanaraka azy tany
any andanitra any
tena tsara revy any izy
raha mba miaraka aminay
ety ambony tany
(saingy isika no diso
no diso tamin’izany)(2fois)
na izaho a! na ianao a!
ka samy miandry
( an’ilay dimbaka avy any nazareta
izay namadika ny rano
ny rano ho lasa py)(2fois)
letras aleatórias
- letra de jeito - guida
- letra de na dan kad si rođena - boban rajović
- letra de мой парень в тюрьме (my boyfriend is in prison) - madk1d
- letra de torrero tales - cecuene
- letra de face2face - k1dzheart
- letra de психоз (psychosis) - hayase, awessome & rikty
- letra de auld lang syne (live) - radio company
- letra de p41n - yamixou
- letra de mama papa n' dem - jblazn
- letra de so besser - eightyoneace