letra de who's next ? - balz.
[refrain]
aleoko fitaratra toy izay andeha haka sary
tanora vokatry ny vanim-potoana tsy manjary
tsy ny foko ry piso fa ny micro no marary
tena reraka ny saina mila, maka fialan-tsasatra
[couplet 1]
mila maka saina, mila makamaka
mila mahay miaina fa ny life lakalaka
diso ialahy nitsara an’ilay sipa bakabaka hoe tsy jiny izy
tsy diso ialahy raha hoe tsy afaka bacc, raha mba tena nianatra…
ao anaty game ohatran’i ryu sy ken aho
efa tena sambatra, aza hitserana, ken aho
tamin’ny mbola kely dia efa tsy tao anaty theme aho
tsy nanofy hamehy sy handoro ny micro sy scène aho
inona no tohiny ? bref, tsy aiko
niparitaka any izahay sy ny rap nanao s-xtape
minisitra ao anaty ambouteillage hono tsy mety
nefa miseho ny mba mahalala ny fiainanay madinika eto
dia tsy mino aho
tsy manentana ny hifidy aho
zava-mahadomelina tsy manentana ny hividy aho
anaty nosy mena ialahy mijery an’i nosy rose
génération tik-tok dia indraindrayy mahatsiaro kivy aho
[refrain]
aleoko fitaratra toy izay andeha haka sary
tanora vokatry ny vanim-potoana tsy manjary
tsy ny foko ry piso fa ny micro no marary
tena reraka ny saina mila maka fialan-tsasatra
[couplet 2]
miara-mivaoka amin’ny mpizara m-f-, miara-mody amin’ny mpaka fako
aza omena tsiny izahay raha toa ka makamaka
aty ny contrebande, oharan’ny fiches am-posy rehefa h-n-la bacc
mba niresaka amin’ny vazaha aho fa ny gasy afa-baraka
resa-bola, resaka fahadiovana
fandraisam-pitarainana rafanja lalondalovana
ilay vavy lehibe mitondra entana ery nandalovana
le sipa manja kely ndray no accostena arovana
toe tsaina goragora otrn kapoty efa niasa eto
ho tojo fahasohavana elah sa ho tojo machette
resaka puriste…j’achète
aleoko nihaino sinik toy namaky bokin’ny hachette
who’s next
“un pion se comporte comme un pion, parce qu’il croit qu’il est un pion
un roi règne, parce qu’il impose son pouvoir.”
letras aleatórias
- letra de faz pouco tempo que eu não te vejo - seven friends
- letra de encontro - stanley césar
- letra de com a espanha no coração - joão chagas leite
- letra de o andarilho - os filhos do rio grande
- letra de tradição de rondônia - os valanga
- letra de levanta-te, resplandece - débora ivanov
- letra de vai nessa tua força - suzete claudino
- letra de o amor de cristo - pregadores da paz
- letra de xiao wang zi - zhang yun jing
- letra de deus me perdoa - carlos & jader